Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy N1B lahy sy vavy. Efa fantatra avokoa ireo tafakatra hiatrika izany, taorian’ny lalao ampahefa-dalana, omaly. Fifaninanana tontosaina any Fianarantsoa. Ho an’ny sokajy vehivavy, anisan’ny tafakatra amin’ny manasa-dalana ny ekipan’ny JCBA Analamanga rehefa nanilika ny ekipan’ny Pintade Amoron’i Mania, tamin’ny isa 64 no ho 60. Lalao tena niady tanteraka ary nampitaintaina hatramin’ny fiafaran’ny fe-potoana farany. Nandresy ny ekipan’ny AKBB Analamanga, tamin’ny isa 73 no ho 65, ihany koa ny Fandrefiala Analamanga. Ekipa roa hiatrika ny manasa-dalana amin’ny sokajy vehivavy ihany koa ny ekipan’ny ASSM Analamanga sy ny L2BV Analamanga. Ho fantatra anio, araka izany, izay hiatrika ny dingana famaranana amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy N1B ity.
Mi.Raz




