Niakatra fampanoavana omaly ireo voarohirohy tamin’ny famosaviana teny Ambohimalaza, tamin’ny sabotsy heriny. Olona telo naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Ombiasy iray sy vehivavy roa.
Niakatra fampanoavana eo anivon’ny fitsarana Anosy, omaly, ireo olona 8 mianadahy voarohirohy tamin’ny tranga famosaviana ara-tsakafo ka nahafatesana olona maro teny Ambohimalaza, ny sabotsy 14 jona lasa teo. Vehivavy ny enina ary lehilahy ny roa tamin’izy ireo. Nalefa eny amin’ny fonjaben’Antanimora, omaly, ny telo tamin’izy ireo, raha toa ka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny dimy ambiny. Anisan’ny voarohirohy ny vehivavy roa, izay fianakavian’ny tompon’ny tsingerin-taona nahaterahana nankalazaina, tamin’io fotoana io. Anisan’izany, ny zaobavy sy ny mpirahavavy tsy iray kibo an’ilay tompom-pety. Mpimasy nakana ny poizina mahery vaika natao tamin’ny sakafo ilay lehilahy iray. Fanapoizinana sy firaisana tsikombakomba no hanenjehana azy ireo, izay faizin’ny andinin-dalàna lah faha-302 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana. Mety hahavoasazy sy hanaovana asa an-terivozona mandra-pahafaty ny fanaovana izany. Disadisam-pianakaviana sy tsy fifankahazoana ka niteraka fialonana ny antony nahatonga izao fanapoizinana faobe izao.
Nifampiresaka tamin’ny finday sy hafatra miafina
“Nisy ny nanome toromarika, ny nanome ny poizina ary ny namafy izany tamin’ny sakafo ireo olona voarohirohy ireo. Hita tamin’ny fitsirihana fa nifandray tamin’ny alalan’ny finday sy fifampiresahana tamin’ny hafatra miafina ireo voampanga ireo”, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Rakotoniaina Narindra Navalona. Nahitana singa nahafahana niampanga azy ireo koa hita tany an-tranony, narahi-maso ihany koa ny fihetsiky ny tsirairay avy tamin’ny alalan’ny fanarahana ny “Camera de surveillance” tany amin’ny trano filanonana. Tafakatra 21 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo, hatramin’ny omaly. Ho an’ny tetsy anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha, niampy iray indray ireo namoy ny ainy, raha ny tatitra voaray. Manodidina ny 25 ireo olona mbola manaraka fitsaboana eo anivon’ity hopitaly ity. Miisa fito ireo olona efa nalefa nody rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy ireo.
Mino




