Olona dimy hita faty tao anaty ranon’Alaotra, andrefan’ny tanànan’i Vohitsivalana, kaominina Imerimandroso, distrikan’ Ambatondrazaka, afakomaly hariva. Sendra loza teny an-dalana izy io ka rendrika. Niainga ny alatsinainy teo, avy any Ambohijanaharikely ary hihazo an’ Ampitandrefana, io sambokely io, raha ny fanazavana voaray. Niainga maraina tany Ambohijanaharikely Ambatondrazaka ary tsy tonga tany amin’ny toerana araka ny ora efa fantatra. Nahagaga ny mponina izany zava-misy izany ka natao ny fikarohana. Olona iray, izay mpamilin’ny lakana no hita faty voalohany nandritra ny fikarohana. Nitohy ny fikarohana ka izao nahitana faty miisa dimy hafa izao indray. Vehivavy tokony ho 56 taona sy zaza efatra (10, 7, 4 ary 13 taona) izy ireo. Fantatra fa mpandeha tamin’io lakana io avokoa ireo hita faty ireo. Hatramin’
ny omaly, tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga io lakana kely io niharan-doza sy nitarika tamin’ny fahafatesan’olona maro izao. Voalaza fa fianakaviana iray avokoa ireo niharam-boina ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ary anisan’ny mbola karohina ny raim-pianakaviana, izay vady sy rain’ireo faty efa hita.
Mino




