Rugby – “Africa Men’s Sevens”: «Hanome ny fahaizako rehetra aho», hoy i Hugo Manolo

Hifantoka atsy Maurice ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra indrindra ny mpankafy rugby. Hanomboka anio ny fiadiana ny “Africa Men’s Sevens” sady hiadiana ny tapakila ho an’ny “Mondial 2026”, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7.

Hanomboka anio, ao amin’ny Kianja Lambour­don­nais Club ao Mau­rice, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, taranja rugby lalaovin’olona 7, sokajy lehilahy. Anisan’ireo hiatrika izany ny Makis de Mada­gascar. Misy mpilalao mpilaravinahitra avy any France, i Querillacq Hugo Manolo manatevina ny Makis. “Efa ela no naniriako hiaraka hilalao amin’ny Makis ka tanteraka izy izao”, hoy izy. Tsiahivina fa nanaraka sy nijery ny lalaon’ny Makis de Ma­dagascar, tany Pologne, ny tenany tamin’ny taon-dasa ary niaraka nanao fanazarantena tamin-dry zalahy na tsy mbola tao anaty lisitra aza. Nanao fangatahana tamin’ny Mala­gasy rugby ny hiditra ho Makis. Rehefa nanontaniana ny mpanazatra, nilaza fa mpilalao mahafehy tsara ny rugby à 7 izy ka izao nantsoina izao. Ni­anto-tena izy namonjy ny fampivondronana teto Mada­ga­sikara. “Vonona aho hiaro ny voninahi-pirenena ary ha­nome ny fahaizako rehetra”, hoy hatrany i Hugo. Nomari­hiny fa tsy mitady takalony izy, amin’izao filalaovana ao amin’ ny Makis izao.
“Tsy vao izao no nahalalako ny Makis fa efa hatry ny ela. Nanaraka akaiky ny fihaonana nataon’i Madagasikara hatrany aho. Hitako fa ekipa tokony ho lasa lavitra”, araka ny nambarany.
Manana firazanana malagasy i Hugo satria Malagasy ny renibeny. Nanambara ny mpanazatra ny Makis fa mety amin’ny ekipa ny fomba filalaony ary tsy sarotra ny fampifandraisana azy, tamin’ireo Malagasy mpilalao. Tsiahivina fa hidona amin’i Maurice ny Makis eo amin’ny lalao voalohany avy eo hifanehitra amin’i Tunisie ary farany amin’i Zimbabwe.

Tompondaka

Partager sur: