SOMBIM-BAOVAO

Nifindra klioba ao amin’ny Standard de Liège, Belzika, ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Marco Ilaimaharitra. Roa taona eo ny fifanarahan’ny klioba roa tonta. Tsiahivina fa i Marco Ilaimaharitra, tsy niala tao amin’ny fampivondronan’ny Barea, noho ny tsy fandoavana ny tambin-karama.

Anisan’ny hifanandrina amin’ny fifaninanana “Combat Avenir 5”, taranja kick-boxing, hatao rahampitso, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, i Alida sy i Olga, eo amin’ny sokajy 57 kg, sokajy vehivavy. Anisan’ny andrasan’ny maro ity fihaonana ity.

Hifandona voalohany amin’ny Ankoay vavy, mandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, hatao any Mongolie, ny 23 jona izao, ny ekipan’i Italie. Ny ekipan’i Belgique kosa no miandry voalohany ny Ankoay lahy amin’io andron’ny 23 jona io.

Niondrika teo anatrehan’ny Botafogo, Bresil, 1 no ho 0, ny Paris Saint Germain (PSG), afakomaly, nandritra ny andro faharoan’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba, 2025, izay tontosaina any Etazonia. Tafita any amin’ny dingana manaraka, araka izany, ny Botafogo, taorian’io vokatra tsara azon’izy ireo io.

Partager sur: