Tratry ny torimaso fotsy : Namoy ny ainy ilay mpitsabo niharan-doza

Tratry ny torimaso fotsy ny mpamily ny fiara tra-doza teny Ambatofolaka, anatin’ny la­lam-pirenena voalohany, ny alin’ny alakamisy 19 jona teo. « Niainga avy ao Antanana­rivo ary nikasa hamonjy fodiana any Ampefy i Dokotera », hoy ny fanazavan’ny kaomiseran’ny polisy misahana ny fa­nadihadiana izay sady nanatri-maso ny loza. Nivoaka ny arabe tampoka ny fiara ka ni­dona tamin’ny hazo teny amin’ ny sisin-dalana, tamin’ny 7 ora sy sasany alina. Tsy nisy afa-tsy io mpitsabo io irery no ni­taingina ny fiara tamin’ny fo­toana nitrangan’ny loza. Fiara sprinter iray no niezaka nitondra avy hatrany ilay mpamily tra-doza nihazo ny hopitaly HJRA. “Tsy nahatsiaro tena intsony io mpamily io tamin’ny fotoana nangalana azy tao anatin’ny fiara”, hoy ny fanazavan’ny polisy.
Ahina ho voadona mafy teo amin’ny faritry ny lohany sy ny tratrany io mpitsabo izay sady mpamily ny fiara niharan-doza io. Nifanome tanana nanavotra io mpitsabo io sy nampakatra ny fiara tanaty arabe ny mponina manodidina. “Tsy nahitana ratra be izy saingy tsy tana ny ainy”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Marihina, mpitsabo lehiben’ny CSB II ao Ampefy ity niharan-doza ity. Ankoatra io, taksiborosy iray tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao Ihosy, ny alin’ny alakamisy teo. Nivadika ny fiara, tsy nisy aina nafoy raha olona telo naratra.

Tsiferana R.

Partager sur: