Ambohidrapeto: telo lahy mpandroba taxi-moto tratra

Tratra teny Ambohidrapeto niaraka tamin’ny saron-tava sy moto fampiasany manao asa ratsy ny telo lahy mpandroba taxi-moto, afakomaly. Norebireben’ny telo lahy ny mpanao taxi moto iray ka nanaiky hitondra olona hihazo an’Ambohidrapeto. Mitetina 15 000 Ar no nifanarahan’izy ireo ho saran-dalana. Nanaraka tamin’ny moto hafa ireo roa lahy naman’ilay nentina tamin’ny taxi-moto. Nigadona tamin’ny toerana voatondro, nilan’izy telo lahy vaniny ilay mpanao taxi-moto ary mody tsy nanaiky ny fifanarahana tamin’ny saran-dalana izy ireo. Mailo ny mpanao taxi-moto ary nifanojo ta­min’ny fisian’ny zandary nanao fisafoana io tranga io. Nandositra avy hatrany ireo roa lahy. Voasambotra ny namany sy ny moto nentin’ity farany, ny 19 jona. Nosavain’ny zandary ka nahitana saron-tava niampy rano mahery fofona “Big boss vita malagasy” fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsy. Nokarohina ny namany ka tratra ny roa lahy izay mpiara-manao halatra moto. Manana mpanome taratasy hosoka hanarotana ny moto izy telo lahy ireo. Mitohy ny fanadihadiana hisamborana ity farany.

Tsiferana R.

Partager sur: