Feno ary manan-danja tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Federasionina ny Karate-do malagasy, ho an’ny tapa-taona faharoa, ao anatin’ny taom-pikatrohana 2025.
Ahitana taratra ny fampivelarana ny atleta eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa ireo fifaninanana rehetra hitranga manomboka amin’ity volana jona ity hatramin’ny volana desambra 2025.
“Open International de Tanà”
Fifaninanana voalohany amin’ny tantaran’ny Karate-do malagasy ny “Open International de Tanà”. Hatao ny 11 hatramin’ny 13 jolay izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany. Voalohany no mikarakara izany fifaninanana iraisam-pirenena izany i Madagasikara. Tanjona ny hisian’ny fifaninanana iraisam-pirenena ofisialy WKF toy ny “Série A”, “Premier League” ary ny “Youth League”, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Federasionina ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile.
Tompondakan’i Afrika (Cadet, Junior, Senior)
Anisan’ny fifaninanana tena andrasana koa ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet, Junior ary Seniors, hatao any Nizeria, ny 22 hatramin’ny 27 jolay izao. Sambany ihany koa no handefa atleta mihoatra ny 10 i Madagasikara amin’ny fifaninanana afrikanina toy izao. Izany no natao dia mba hahazoana vokatra tsara ho an’i Madagasikara ary indrindra hanomezana sehatra ireo Malagasy mpikatroka. Efa nanoman-tena mafy ireo atleta 17 mianadahy hihazo an’i Nizeria ireto. Fampivondronana intelo no natrehan’izy ireo ary nisy ny fitsapana sy sivana vao tonga tamin’izao dingana izao, raha ny fanazavan’ny teo anivon’ny Kaomisiona teknika.

Tompondakan’i Afrika Atsinanana
Fandaharam-potoana anisan’ny goavana ihany koa ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Atsinanana, izay hatao eto Antananarivo ny 18, 19, 20 ary 21 desambra 2025. Indroa misesy izao no mandray ity fifaninanana ity i Madagasikara. Noho ny fametrahan’ny federasionina iraisam-pirenena fahatokisana ny karate malagasy, indrindra eo amin’ ny fitarihana sy fampiroboroboana ny Karaté aty amin’ny faritra faha-7 no anton’izany, hoy hatrany ny nohamafisin’ny filohan’ny FKM. Nomarihany fa ho tonga eto Madagasikara ny filohan’ny Kaomisiona iraisam-pirenena ny mpitsara, i Mr Escalanté J. Hampiofana ireo Mpitsara ity manam-pahaizana vahiny ity amin’io fotoana io. Fifaninanana iraisam-pirenena anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny FKM ihany koa ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany ka hisy ny fiadiana ny tapakila amin’izany any Paris, ny volana oktobra izao. Hisy ihany koa aorian’
izay ny dingana farany amin’
izay fiadiana ny tapakila amin’ny “Mondial” izay any Egypte, ny volana novambra. Eo ihany koa ny “Youth League des Jeunes” ny 3 hatramin’ny 7 desambra izao any Venise Italie.
Hanan-danja ny eto an-toerana
Ankoatra an’ireo fifaninanana iraisam-pirenena maro miandry ny Federasionina ny karate-do malagasy, ho Feno tanteraka ihany koa ny fandaharam-potoana ho an’ny fifaninanana nasionaly sy ny fifaninanana tafiditra anatin’ny tetiandron’ny FKM. Anisan’ izany ny “Challenge de Betsileo”. Efa fanao isan-taona izany ary manome lanja ny ligy amin’ny fikarakarana fifaninanana . Ny 31 jolay, 1, 2 ary 3 aogositra izao any Fianarantsoa no hanatanterahana ny “Challenge de Betsileo” amin’ity taona ity. Fifaninanana misokatra ho an’ny rehetra, manomboka amin’ny 6 taona hatramin’ny 77 taona. Tohin’izay fifaninanana eto an-toerana izay, hatao ny 16, 17 ary 18 desambra izao eto Antananarivo ny “Gasshuku Nationale”. Hanaovana fampiofanana ara-teknika sy fitsarana ary fanazaran-tena izany. Hisy ny fanadinana hatao mandritra ny hetsika. Voalohany ihany koa ny FKM no manao ity fifaninana ity ka handray anjara amin’izany ny sekoly 4: Gojoryu-Shitoryu-Wadoryu-Shotokanryu.
Tompondakan’i Madagasikara
Fifaninanana fanaon’ny federasionina rehetra isan-taona ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara. Federasionina filamatra ary manatanteraka izany antsakany sy andavany ny Federasionina ny Karate-do Malagasy. Araka izany, hatao any Antsirabe ny 30 oktobra hatramin’ny 3 novambra izao ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ho an’olon-tokana. Eto Antananarivo kosa no hanaovana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny ekipa, ny 18 hatramin’ny 20 desambra 2025. Fifaninanana misokatra ho an’ny Klioba rehetra.




