Ao anatin’ny herinandro fankalazana ny fetim-pirenena izao. Harendrina ô! Famoahana afo ny fanaovana harendrina izay fomba tranainy teo amin’ny Malagasy. Ny hariva mialoha ny andro fandroana sy ny fandroana izay famoahana afo izay. Tsy inona ny harendrina fa afo arehitra amin’ny bozaka voafatotra eny an-dohan’ny hazo lavalava entin’ny ankizy mandehandeha eny an-tokotany na kianja tamin’izany. Fandroahana ny fanahy ratsy na fanahy sompatra tsy hanelingelina ny andro fandroana ny hevitra ilafihany. Antsoantson’ny ankizy tamin’izany ny hoe: “Harendrina ô! Harendrina ô!” Tsy mamoaka afo ny fianakaviana misaona fa hoe mandroaka ny fanahin’ny havana vao maty, araka ny finoana. Toy ny hoe madingana afo eo an-tokonana rehefa avy nandevina mba tsy hanaraka ny tena ny fanahin’ny maty vao nalevina. Fanadiovana ny afo, fahazavana, hafanana.
Ny amin’izao fotoana izao? Saika fombafomba na fahazarana? Misy aza tonga amin’ny fisehoana hoe miavaka mitaha amin’ny hafa. Eny, na tsy fantatry ny sasany na ny maro mazava intsony aza izay antony sy dikany. Manao harendrina fotsiny amin’izao… Tsy mahagaga, ohatra, raha mahazo vahana ny hoe harendrina vahiny. Varotra no atao. Tsy mitondra afo ka fanahy ratsy inona no ho voaroaka amin’ny karazana harendrina amin’ny karazana jiro mipipika, manjelanjelatra, mamono maso… ? Na efa lasa ny zavatra taloha… Tsy lavina, mivoatra ny fomba amam-panao arakaraka ny fotoana sy ny taranaka mifandimby. Toy izany koa ny hevitra ara-tandindona na ny hevitra ilafihany. Miova ho azy amin’izao noho ny tsy fahalalana koa izay? Na izany aza, tokony misy na asiana dikany sy heviny hatrany izay atao. Mba tsy hanataotao foana… Hafa ihany ny mahafantatra izay ataony? Harendrina ô!
R. Nd.




