Hanomboka avokoa ny fifaninanana fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana. Mivoaboaka avokoa ny datim-panadinana amin’ny sokajy isan-karazany. Ny ao amin’ny Hery fiarovana, ny mpitsara, ny paositra, ny fanabeazana, sns. Manginy fotsiny ny fandraisana any anatin’ny minisitera izay tokony ho an’ny daholobe, indrindra ireo tanora nitolona ho an’ny fanavaozana, niady ny mangaraharaha sy ny fahamarinana. Mila sahy mitaky tahaka ny nanonganana.
Ny indrokely, zara raha misy ny minisitera mampahafantatra izany ampahibemaso amin’ny petadrindrina, ny tambajotran-tserasera, hatramin’ny haino vaky jery. Ny an’ny sasany aza, kobokobonina. Na ny mpiasa ao aminy aza tsy maharaka na inona na inona. Mijanona ho fananan’ny minisitra sy ny talen’ny kabinetra ny vaovao. Na ny sekretera jeneraly miandraikitra ny fitantanan-draharaha aza tsy mahalala ny an’ny sasany?
Inona no antony? Mazava be fa endrika kolikoly sy fanaovana kitranoantrano ny ao ambadika. Iza no tsy hanararaotra tokoa ny fahefana eo am-pelatanany? Fomba mamohehitra mahazatra an-dRamalagasy. Tiatiakely sy sitrany ahay ho an’ny tena manokana. Izaho sy ny ankohonako sy ny namako aloha fa rehefa antomotra ny fifaninanana vao manao petadrindrina na manao fifampizarana. Hita ho faharatsian-tsaina mibaribary.
Raha izany no miseho aty am-piandohana, hanao ahoana mandra-pivoaka ny valim-panadinana. Tsy vitan’izay fa hatramin’ny farany madinika ka hatrany an-tampon’ny loha dia samy makamaka. “Ny anareo lehibe avo lenta fa aza hadino ny bandy kely, na aza hadino ny kafe ho an’i Neny”, hoy izy ireo. Sady mahatezitra no mampalahelo, no mahatonga saina sy mampihomehy. Mibaribary loatra ny fahantrana sy ny fahalovan’ny toe-tsaina.
Ny hamehezana ny fampizarana dia ny fanentanana ny tsirairay hiala amin’ny kolikoly araka izay azo hatao.
Randria




