Mpanakanto Sofia Goma: maty tsy tra-drano nandritra ny lozam-pifamoivoizana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tao amin’ny fidinana Ambohinahasondrotra Ambohimena, kaominina Am­binanifango, distrikan’i Man­dritsara, omaly alahady ta­min’ny 12 ora sy sasany atoandro. Fiara «Tracteur» iray nitondra fitaovana fanamafisam-peo an’ny mpankanto Sofia Goma na Randriatovo Yves-son Olivier io niharam-boina io. Nivarina tany an-kady misy lalan-drano ary nivadibadika ilay fiara. Maty tsy tra-drano vokatry ny hamafin’ny dona nahazo tamin’izany ny olona roa tao anatin’io fiara io. Voatsindrin’ireo fitaovana fanamafisam-peo ny antony nahafaty ireo olona ireo. Anisan’izany, io mpanakanto io sy ny vehivavy iray mpandihy ny tarika. Avy namonjy Festival «Manan­asy» tany Bemahetsaka, Kaominina Ankiabe Salohy izy ireo no izao tra-doza izao. Ankoatra izay, olona maro ihany koa no naratra mafy. Nentina nihazo toeram-pitsaboana avy hatrany ireo olona naratra mafy ireo taorian’ny tranga. Mpanakanto iray an­tsoina hoe : Tsatsa ihany koa naratra mafy tao anatin’ity loza ity. Fantatra fa tapaka familiana (direction) io fiara io ka nivarina tany anaty hantsana ka antony nahatonga ny loza, raha ny fanazavana voaray.

Mino

Partager sur: