Nenjehin’ny polisy ny lehilahy mpanao sinto-mahery iray teo Analamahitsy, boriborintany fahadimy, omaly atoandro. Nosintomin’io olon-dratsy io ny poketra an’ny renim-pianakaviana iray teny an-toerana, tamin’ny 12 ora sy sasany. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ny lasibatra. Ren’ny mpitandro filaminana izay nanao fanamiana sivily io hikiaka nataon’ny manodidina io. Nenjehiny avy hatrany ilay mpanendaka. Nanao tongotra an-katoka ity farany saingy nijanona rehefa nanapoaka basy ilay polisy. Natsipiny ny poketra nangalariny. Tsy lasa alavitra, voasambotra io lehilahy nandroba io. Nentina eny anivon’ny biraon’ny CSP8 izy atao fanadiha-diana. Hatolotra ny fampanoavana aorian’izany.
Tsiferana R.




