Anosiavaratra: mpitondra moto maty tsy tra-drano

Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto scooter iray tra-doza teny Anosiavaratra, ny harivan’ny alahady teo, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nentina namonjy hopitaly ny namany.

Namoy ny ainy teo no ho eo ny mpitondra moto scooter marika “Glide” niloko mena, teny amin’ny lalam-pirenena fahatelo, teo Anosiavaratra, distrikan’Ava­ra­drano, afakomaly. Nandeha mafy avy any amin’ny lalan’i Sabotsy Namehana, nikasa hianavaratra io mpitondra moto io. Nifatratra tampoka ta­min’ny fiara ireto farany. Mari­hina fa nanao taingin-droa izy ireo. Niara-nipitika ireo olona ireo saingy voa mafy ilay ni­tondra. Vaky loha izy ka maty teo no ho eo. Potika tanteraka ny moto nentiny ary tavela teo afovoan’ny arabe tamin’ny fotoan’ny loza. Nosokirina tao ambanin’ny fiara ny niharan-doza. Nentina namonjy hopitaly nanaraka fitsaboana ny olona iray hafa naratra. Nia­trana teny an-toerana nanao ny fanadihadiana momba io tranga io ny tomponadraikitry ny mpitan­dro filaminana eo Avaradrano.

Olona efatra maty
Nianjeran’ny kamiao, mpanosika kalesa fitanterana entana miisa efa-dahy niara-maty nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN7 tsy lavitra an’Ambalakely, distrikan’i Lalangina, omaly ma­raina. Tsy nisy hisatra tam­poka ilay kamiao ka nifatratra avy hatrany tamin’ireo mpanosika kalesa rehefa tafavoaka ny lalana. Voahitsaka sy voa­tsindry ireo efa-dahy ka samy namoy ny ainy avokoa.

Tsiferana R.

Partager sur: