Nanomboka omaly, tany Mongolie, ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety lalaovin’olona 3. Ratsy fanombohana ny Ankoay.
Ny Ankoay no niakatra an-kianja voalohany, omaly, tany Mongolie, ao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3. Navesatra ho an’i Muriel sy ny namany ny niatrika io andro voalohany io. Faharesena roa no hitan’izy ireo tamin’ireo lalao roa natrehiny. Ny ekipan’i Italie no nifandona voalohany tamin’ny ekipa malagasy. Tsy afa-bela i Madagasikara nandritra izany. Resy tamin’ny isa 21 no ho 10 ny Ankoay tamin’ity lalao fisantarana ity, na dia hita ho nanezaka mafy aza. Ny ekipan’i Pologne kosa no nifanandrina tamin’izy ireo, teo amin’ny lalao faharoa, omaly. Nampitombo ny ezaka nataony ny Ankoay saingy tsy mbola nahomby ny taktika napetraka nanoloana ny Polognaise. Niondrika tamin’ny isa 13 no ho 21 ny ekipa malagasy tamin’ity lalao faharoa ity. Lesoka matetika ny tsy fitoviana eo amin’ny ara-batana saingy tsapa ihany ny fahampian’ny traikefa. Eo koa ny fikoropahana izay ho harenina amin’ny lalao manaraka, raha ny nambaran’ny mpanazatra. Tsara ho fantatra fa sambany no mandray anjara amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, ny Ankoay sokajy vehivavy, ka azo lazaina ho tsara ihany raha izao zava-bitan’izy ireo izao.
Hiakatra kianja anio ny Ankoay sokajy lehilahy
Eo amin’ny sokajy lehilahy kosa, anio no hiakatra kianja voalohany izy ireo, ahitana an’i Elly, Arnol, Anthony ary i Livio. Mazana ihany koa ny miandry ireo satria i Belgique no hifandona voalohany amin’izy ireo ary i Allemagne amin’ny lalao faharoa ho amin’ny anio. Rahampitso 25 jona kosa indray vao hilalao ny Ankoay sokajy vehivavy, ahitana an’i Muriel, Christiane, Chine ary i Sydy. Ny ekipan’i Australie sy Chine no miandry azy ireo amin’izany, izay tsorina fa ekipa kalaza sy mahay indrindra maneran-tany.
Mi.Raz




