Hotanterahina ny 28 jona sy ny 5 jolay ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha, ny hetsika “Festival Ako Akoho”. “Dona be andiany fahatelo”, amin’ny resaka fampiadiana akoho. Ny 6 jolay ho avy izao, hitohy eny amin’ny Gymnase Besarety, ny famaranana an’izany.
Nambaran’ny filohan’ny Ako Akoho, Harim Andriamahaleo, fa hisy ny fifaninanana «Mister coq», hifantenana ireo akoholahy tsara endrika amam-bika indrindra. Notsiahiviny fa fialamboly hatramin’ny faha-mpanjaka ny adin’akoho. Mifono kolontsaina maro izany, araka ny nambarany. Fanirian’izy ireo ny hanana federasionina misahana ity taranja ity, ary efa nanatona ny tomponandraikitra eo anivon’ny fitondram-panjakana izy ireo ny amin’izany. Nambarany rahateo fa maro ireo mpampiady akoho manana ny maha izy azy avy amin’ny sokajin’asa rehetra ary hatramin’ny vahiny.
Telo volana eo ny fikarakarana ny akoho iray, vao afaka miakatra kianja. Tsy tokony hihoatran’ny ora roa kosa ny faharetan’ny adin’akoho iray. Raha mihoatra izany dia sahala. Rehefa intelo tsy tafatsangana ny akoho iray no atao hoe resy.
Azon’ny mpampiady akoho atao ny manome hanina mampatanjaka azy fa ny manosotra zavatra amin’ny akoho kosa tsy azo atao mihitsy.
Tsiahivina fa hatokana amin’ny hetsika «Tafio akanjo », ny ampaham-bola amin’izany ka hanangonana fitafiana ho an’ireo tsy manan-kialofana sy mpatory an-dalana, manoloana izao ririnina izao. Entanina ireo hanotrona ny hetsika mba hitondra tahaka izany.
Fitia Randria




