Tranga tetsy Ambohimalaz: tafakatra 25 ny maty, 22 manaraka fitsaboana

Niampy roa indray ny olona namoy ny ainy teo anivon’ny CHU-JRA Ampefiloha, omaly. Vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo nandritra ny fety teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. Tafakatra 25, noho izany, ny isan’ireo namoy ny ainy hatramin’ny omaly. 22 ireo mbola manaraka fitsaboana. Tsy mbola nisy marary tafavoaka ny hopitaly, raha ny tatitra voaray hatrany. Namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly tsy miankina kosa ny roa hafa. Anisan’izany, ny raim-pianakaviana iray notsaboina tany amina hopitaly tsy miankina eto Antananarivo.

11 hafa maty tany Ambositra
Fianakaviana iray niara-namoy ny ainy tany Ambosi­tra, rehefa avy namonjy fety fankalazana fandraisana komonio voalohany, ny alahady lasa teo. 11 ireo namoy ny ainy vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo niseho tany an-toerana, raha ny tatitra voaray avy amin’ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamana Amoron’i Mania, omaly hariva. Anisan’ ny maty ny renin’ilay zaza nohamasinina. Nana­raka avy eo ilay ankizy nandray ny sakramenta. Namoy ny ainy ihany koa ny dadany ary ny anabavin’ilay ankizilahy anankiroa. Raha ny fantatra, nitondra mortadelle avy any Ta­matave ny havan’ireo fianakaviana ireo ary natao tamin’ny sakafo. Ny fihinanana izany no mety ho anton’izao fahapoizinana ara-tsakafo izao. Samy nanjavona ny maso, nandoha maitso sy mivalana, maina ny tenda ary sempotra ireo olona narary ireo. Naha­tratra 24 ireo narary noraisina an-tanana tamin’izany. Mbola misy 18 ireo manaraka fitsaboana.

Mino

Partager sur: