Lehilahy efatra avy any Soavina II, voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Borigadin’ny Zandarimaria Betafo, tamin’ity herinandro ity. Voarohirohy amin’ny famonoana sy fanapahan-doha raim-pianakaviana iray, 68 taona, tany amin’ny fokontany Soavina faharoa, kaominina Antohobe, distrikan’i Betafo, faritra Vakinankaratra, ny alin’ny 24 hifoha 25 marsa 2025 izy ireo. Naharitra volana maromaro ny fikarohana sy fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ny raharaha famonoana sy fanapahan-doha io raim-pianakaviana io. Niroso tamin’ny fisamborana ireo olona mampiahiahy tany Soavina II ny zandary. Olana teo amin’ny resaka fifampanofana tany no antony nahatonga ny famonoana ho faty, raha ny fanazavana voaray. Tsiahivina fa iray volana sy tapany taorian’ny tranga, hita tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Ambano, distrikan’Antsirabe II, ny lohan’io raim-pianakaviana nisy namono io.
Ahina amin’ny halatra omby
Nandritra ny fidinana ifotony sy nisamborana ireo olon-dratsy, Ahina ho tompon’antoka amin’ny halatra omby ihany koa izy ireo. Tsy nahitana taratasy manamarina ny maha ara-dalàna azy ireo omby rehetra ireo rehefa nohamarinina. Anisan’ny mbola manjaka ny halatra omby sy ny ady tany any an-toerana.
Mino




