Na teo aza ny faharesen’ny ekipa malagasy tamin’ireo lalao 4 avy nataony, nandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, tafiditra anatin’ny 20 voalohany maneran-tany, i Muriel sy i Livio.
Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao 20 mendrika indrindra maneran-tany teo anivon’ny Fiba, omaly. Vaovao tsara ho an’ny Malagasy izany satria anisan’ny tazana tao anatin’izany lisitra izany ny anaran’ny malagasy mandrafitra ny Ankoay, lahy sy vavy. Notsongain’ny Fiba tamin’ireo mpilalao 160 nandray anjara tamin’ity fiadiana ny amboara ity izy ireo noho ny fahavitrihany teny ambony kianja. Nisongadina i Muriel sy i Livio tamin’ny lalao natao Ary nanana herijika nitondra hery ho an’ny ekipany. Izany indrindra no antony nahatafiditra azy ireo ho ao anatin’ny “Top 20” maneran-tany. Raha tsiahivina ny lalao natrehin’ny Ankoay, lalao tena niavaka sy tsara indrindra ny fifandonan’ny Ankoay, lehilahy, tamin’ny ekipan’ny Australie, omaly. Nifandanja tanteraka ny ekipa roa tonta hatrany am-piandohana, saingy nisy “lancé franc” 2 tsy matin’ny Malagasy. Izay no nahatonga ny faharesena. Isa 21 no ho 19 no nandavoan’ny Australie ny Ankoay, lehilahy, tamin’ity lalao ity. Ho an’ny Ankoay, vehivavy, kosa ny lalao nifandonan’izy ireo tamin’ny ekipan’i Chine no tsara indrindra. Isa 21 no 15 no nisarahan’ny roa tonta nandritra izany. Maro ny lesoka kanefa faly ireo mpilalaon’ny Ankoay ireto fa afaka nilahatra tamin’ireo mpilalao kalaza maneran-tany.
Mi.Raz




