Fifanintsanana Mondial 2026: mety ho any ivelany indray ny lalaon’ny Barea

Lasa mangina ny resaka fikarakarana ny Kianja Barea Mahamasina. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy ny tohiny momba ilay fitaovana hikolokoloana izany. Manahy ny zava-misy ny mpankafy baolina kitra malagasy maro fa mety hatao any ivelany indray ny fihaonan’ny Barea de Madagascar, ny volana septambra ho avy io. Roa volana eo sisa ny tomponandraikitra, raha tiana ny hiverenan’ireo Malagasy mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena eto an-taniny. Tsara ny mampahatsiahy fa ny resaka bozaka ihany sisa no mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny Caf, raha toa ka efa feno avokoa ny fepetra ho an’ireo singa hafa izay notakin’ity Kaonfederasiona misahana ny baolina kitra eto Afrika ity. Araka ny efa nambaran’ny FMF, mbola andrasana ilay fitsidihana faharoa hataon’ilay manampahaizana avy amin’ny Caf, izay tokony hatao amin’ity faran’ny volana ity. Tsy mbola nahenoana vaovao koa ny momba izany. Ampahatsiahivina fa ny volana mey lasa teo, tonga nanao fitsirihana teto ilay manampahaizana momba ny bozaka avy amin’ny Caf, izay nafaran’ny FMF.

 

F.R

Partager sur: