Kamiao tra-doza teo Maharidaza: namoy ny ainy ilay Kaomorianina, mpanampy mpamily

Roa andro taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao Maharidaza, lalam-pirenena faharoa, tafavoaka tao ambanin’ny kamiao nanindry azy ny nofo mangatsiakan’ilay kaomorianina, omaly maraina.

Nanao sarotra ny fangalana ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray voatsindrin’ny kamiao tao Ma­haridaza, RN2. Kamiao lehibe mpitatitra entana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasi­na tra-doza tampoka teo amin’ io toerana io. Nisedra olana teo amin’ny lafiny familiana ny mpamilin’io fiarabe io. Tapaka ny “rotule de direction” araka ny fanazavana. Nivarina an-kady ny fiara tamin’ny alin’ny talata 24 jona teo. Nipitika tamin’io fotoana io i Ahmed Issa Ali, izay mpamily mpanampy. Voatsindrin’ny vatan’ny kamiaobe izy. Niezaka na­nao izay ho afany ireo nanatri-maso namonjena ny lasibatra. Nidina ifotony ny tomponandraikitry ny fandriampahalemana nifanome tanana. Voa­sikotra tao ambanin’ilay ka­miaobe io mpanampy mpamily io, omaly.
Nitady vola

Niasa ary nitady vola toy ireo mpilaravinahitra amin’ny firenen-kafa ity kaomoriana tra-doza ity. Mpiavy avy any amin’ny tanànan’i Dimadjou Itsandra, ao Kaomoro, izy saingy efa niasa an-taonany teto an-toerana. Vodihazo hany sisa nampijanona ilay kamiaobe tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Manoloana io voina io, naneho ny teny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny namoy ny ainy ny ma­soivohon’i Kaomoro monina sy miasa eto Madagasi­kara. Tsiahivina, matetika hi­tranga­na lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa manakaiky an’i Maharida­za. Mila mitandrina hatrany ireo mpamily mampiasa io lalam-pirenena io, indrindra ireo mpitondra kamiao.

Tsiferana R.

Partager sur: