Rallye – Bangsean Grand Prix: handray anjara Razanakoto Iaro

Hotanterahina ny 5 sy ny 6 jolay ho avy izao, any Thaill­ande, ny Bangsean Grand Prix, dingana fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Asie, amin’ny familiana fiarakodia (Grand Tourisme 4). Anisan’­ireo handray anjara ilay Malagasy mpanamory, Raza­na­koto Iaro ao amin’ny klioba Team Porsche B-Quick. Raha tsiahivina, mitana ny laharana faharoa vonjimaika, amin’ireo fiara 22 mifaninana ny tovolahy, ankehitriny.
Anisan’ireo dingana sarotra indrindra any Asie, ny Bangsean Grand Prix, ary mety hampidi-doza raha tsy mahay ireo mpanamory. Ilaina fahafehezana teknika sy môraly mantsy ny fiatrehana izany, ho an’ireo mpanamory. Manamorona torapasika toa an’i Monaco sy i Miami mantsy izy ity, izay misy fiholahana tery ary tsy misy arofanina miaraka amin’ny lala-mahitsy, handehanan’ny fiara amin’ny hafainganam-pandeha 250 km. Tsy vaovao amin’i Iaro ity dingana ao Thaillande ity. Tamin’ny taon-dasa, tra-doza tamin’izany ny tenany ary voatery naiditra hopitaly ka nialany an-daharana tamin’ny fifaninanana satria naharitra enim-bolana ny fitsaboana azy. Amin’ity, nanambara Iaro fa vonona ary hametraka fanamby hitazona ny laharana misy azy, na handrombaka mihitsy ny laharana voalohany. Marihina fa izy irery no hany Malagasy ary afrikanina tokana mandray anjara amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Asie, amin’ny Rallye ity.

Tompondaka

Partager sur: