Naratra ny lohany ary nivoaka ra ny vavan’ny lehilahy iray hita faty tao amin’ny Village Touristique Mahajanga, omaly maraina. Tsikaritry ny mpandalo ny fisian’ny olona nitsirara tamin’ny tany. Tsy nihetsika intsony io lehilahy efa lavo amin’ny tany io sady nihosin-dra. Niantso ny tomponandraikitry ny filaminana sy ny mpitsabo hanao ny fizahana avy hatrany ny tsara sitrapo. Tsy nisy aina intsony, efa maty ilay lehilahy. Nahitana biriky tanimanga nihosina ra, hazo maka endrika kibaikely sy tavoahangy teo amin’io lehilahy io. Novonoina tamin’ny alalan’ny daroka io lehilahy io, raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanao ny fizahana. Novonoina adiny dimy talohan’ny nahitana ny vatany io lasibatra io. Miroso amin’ ny fikarohana ny nahavanon-doza ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana. Manjaka ny vonoan’olana miharo fanendahana tato ho ato, indrindra amin’ny tanàn-dehibe.
Tsiferana R.




