Akon’ny fety, 25 sy 26 jona: olona 3 namoy ny ainy, 249 nandalo fitsaboana

Olona telo namoy ny ainy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny asaramanitra, ny 25 sy 26 jona teo, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny hopitaly CHUJRA, omaly. Naha­tratra 249 ny isan’ny olona nandalo tao amin’ny Sampana Vonjy Aina nandritra ireo andro ireo. « Nitombo ny isan’ny olona nandalo nanao fizaham-pahasalamana raha mitaha ny tamin’ny herintaona fa nihena kosa ny naiditra hopitaly», hoy i Mamitiana Judicaël, tomponandraikitry ny Serasera eo anivon’ny CHUJRA. Lehilahy roa tratran’ny fanapoizinana mahery vaika vokatry ny fisotroana zava-pisotro mahamamo ny 25 jona. Olona telo: lehilahy sy vehivavy ary zazakely iray voan’izany ny 26 jona lasa teo. Lehilahy iray hafa saika hamono tena ny 25 jona.
44 voasambotry ny polisy
Olona 44 voasambotry ny Polisim-pirenena teto amin’ny faritr’Analamanga, nandritra ny fety, ny 25 sy 26 jona, raha ny tatitra voaray omaly. Voarohirohy tamin’ny fandikan-dalàna maro samihafa izy ireo. Voasambotra noho ny halatra miharo vaky trano ny efatra. Noho ny halatra sy fanendahana ny 12, voasambotry ny Polisin’ny Sag teo am-panendahana mpandeha an-tongotra mody alina teny Anosibe, ny 26 jona ny iray amin’izy ireo. Tratra nanao sinto-mahery ny roa hafa. Tra-tehaka teo am-pikasana hamaky trano ny telo hafa. Anisan’izany ny lehilahy iray nikasa hamaky trano teny Fenomanana Mahazoarivo, ny 26 jona teo. 11 ireo tranga lozam-pifamoivoizana, izay nandratrana olona sivy.

Mino

Partager sur: