Hotanterahina etsy Mahamasina, manomboka anio hatramin’ny 30 jona ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny “Salon national des sports”. Hetsika goavana, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. Anisan’ireo tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana izany, ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), izay tarihin’ny minisitra Marson Moustapha Abdulah.
Tanjona iray hapetraka amin’ity hetsika ity ny hanentanana ny daholobe hanao fanatanjahantena. Eo koa ny ady amin’ny tsy fitoviana, ny hakamoana sy ny herisetra ary ny fiankinan-doha. Fampiraisana ny mpisehatra tsy ankanavaka sy ny fikambanana ihany koa. Maroloko ny zavatra hanamarihina izany, mandritra io fe-potoana io, ka handray anjara avokoa ireo federasionina, fikambanana ara-panatanjahantena, klioba ary ireo orinasa misy eto Madagasikara.
Hisy ny tranoheva hanehoan’ireo federasionina ny taranja sahaniny miaraka amin’ny fanehoana talenta. Ankoatra izay, anisan’ ny tena hampiavaka ny hetsika ny fisian’ny “Urban Trail” miainga eo Ankorondrano, hifarana eo Mahamasina. Hamaranana ny lanonana ny fanaovana Zumba.
F.R




