Fiainana fianarana hatrany! Hifarana anio, any Maroc, ny fampiofanana mpanazatra matihanina, amin’ny taranja tolona. Anisan’ireo nalefan’ny Federasionina malagasin’ny tolona (FML), ho solontenan’i Madagasikara, hiatrika izany, i Soloniaina Josiane Patricia. Marihina fa nanomboka ny 23 jona, tany an-toerana, ary natokana ho an’ireo firenena miteny frantsay ihany ity hetsika ity.
Tao anatin’ireo vanim-potoana ireo, maro ny zavatra nifampizarana. Anisan’izany ny fahaizana mandamina ny fotoana sy ny fandaharanasa, mandritra ny taom-pilalaovana iray. Eo koa ny fanomanana ara-batana sy ara-teknika, ny fomba atao amin’ny lafiny fitsaboana, ary ny fitsirihana ireo solofo handimby.
“Wrestling School” Antsirabe
Ankoatra izay, nitsangana ny 22 jona, tany Antsirabe, ny hetsika “Wrestling School”, izay fampiofanana mpampianatra EPS, taranja tolona anivon’ny sekoly. Manana vina lehibe ny hampiankarana ny taninketsa amin’ny sehatra avo kokoa ny filohan’ny FML, Raveloson Mamitiana.
Fitia Randria




