Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny Afrika, taranja Judo, notanterahina tany Prétoria. Medaly 9 no norombahan’ny judokas malagasy.
Tsy mitsanga-menatra ny Malagasy mpikatroka, misolo tena an’i Madagasikara, miatrika ny fifaninanana “Open et Coupe d’Afrique”, taranja Judo, notontosaina tany Pretoria, ny faran’ny herinandro teo. Judokas 3 no nahazo medaly volamena, tamin’ny alalan-dRazafindrakalo Natacha, latsaky ny 48 kg, vehivavy, ny zoma lasa teo, rehefa nandresy ilay teratany Zimbamboanina.
Nahazo izany medaly volamena izany ihany koa, Randrianaivo Hajaina, teo amin’ny sokajy Cadet latsaky ny 50 kg, ny sabotsy lasa teo, ary Ralevazaha Kevin Emilson, teo amin’ny sokajy Junior, latsaky ny 66 kg. Ankoatra izay, resy teo amin’ny famaranana ka nahazo ny medaly volafotsy ny Malagasy judokas 2, nahitana an-dRalalaharisoa Malalatiana Frédérica, sokajy Senior latsaky ny 63, vehivavy, sy Razafindratsimba Alina, sokajy Junior, latsaky ny 52kg. Samy nampiseho teknika miavaka izy roa vavy ireto saingy teo ihany ny tsy fahampian’ny traikefa kely ka nahatonga ny faharesena teo amin’izay famaranana izay. Tsy vitan’izay fa mbola nisy ihany koa ny Malagasy mpikatroka nahazo medaly alimo tamin’ity “Open et Coupe d’Afrique” natao tany Prétoria ity. Medaly alimo 4 no azon’ny Malagasy, tamin’ny alalan-ddRanaivoarisoa Fetra, Benandro Roumaica, Ravelojaona Rayan ary Ralevazaha Vonjiniaina Emilson.
Mi.Raz




