Tonga nitolo-batana tao amin’ny biraon’ny Zandary Antsiranana, omaly tamin’ny 11 ora sy sasany maraina, ny lehilahy iray (16 taona). Tompon’antoka tamin’ny famonoana nahafaty ny rahalahiny (24 taona) tany amin’ny fokontany Ambohimitsinjo, kaominina Diego-Suarez, Antsiranana ny alin’ ny 25 jona lasa teo. Niara-nisotrosotro tany amin’ny trano fisotroana iray tany Befotaka Avaratra izy ireo ny alin’ny 25 jona. Niakatra ny hamanoana ary nifamaly teny an-dalana izy mirahalahy. Novakian’ilay zandriny (16 taona) ny tavoahangy nisy labiera teny an-tanany. Novelesiny sy notsindrominy tamin’izany ny rahalahiny. Voatsindrona mafy teo amin’ny fony ary notapahany ny lohan’io rahalahiny io. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny zandary roa avy amin’ny Toby Antsiranana niaraka tamin’ny mpitsabo iray avy amin’ny BMH any an-toerana rehefa nahavoaray ny antso. Hita tao anaty kirihitr’ala ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy ary fantatra fa tapaka ny lohany. Natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana. Raha ny fanazavana voaray, notafihin’ny fanahy ratsy io rahalahiny io ka nagataka ny hovonoina. “Vonoy aho mba ho afaka ny fanahiko”, hoy ny fitantarany. Nilaza ity lehilahy ity fa nataony izany noho ny fangatahan’ny rahalahiny mihitsy. Eo am-pelatanan’ny Toby Zandary Antsiranana tanteraka ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Efa miatrika famotorana eny anivon’ny zandarimaria izy ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana.
Mino




