Notanan’ny zandary ny lehilahy nisandoka andraikitra sady nisoloky volan’ny mpivarotra tao amin’ny fokontany Ambaniala, kaominina Ambandrika, distrikan’Ambatondrazaka, ny sabotsy 28 jona teo. Nitondra taratasy hosoka nanehoany fa mpiasan’ny sampan-draharaha momba ny hetra izy. Nasesiny notetezina ireo olon-tsotra tompon-tsena tao an-tanàna nanomboka ny zoma 27 jona.
Nisy avy hatrany olona nanome vola azy raha toa
ka nisy mbola nisalasala. Nampitahorin’io mpisoloky io ireo mbola tsy nanome vola. Nambarany fa hiverina hanangona ny vola ho an’ireo tsy nanefa izy io ny andron’ny sabotsy 28 jona io. Mailo ka nampandre ny mpiasan’ny sampan-draharaha momba ny hetra sy ny zandary ireo lasibatra. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ilay lehilahy. Nosavaina teny aminy ka nahitana tokoa ilay taratasy sandoka. Notononony fa manana lehibe miisa dimy izy. Karohina ireo olona voalaza. Hatolotra fampanoavana anio io mpisoloky io. Tsy maintsy manana sy mitondra karatra manamarina azy ireo mpiasa manatanteraka ny asa, hoy ny lehiben’y sampan-draharaha momba ny hetra ao an-toerana.
Tsiferana R.




