Samy afapo tamin’ny hazakazaka, izay nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS) sy ny Rotary Club, ireo mpandray anjara tamin’ilay “Urban Trail”. Natao hitadiavana vola hiadiana amin’ny lefakozatra izany.
Nahomby ! Mpandray anjara maherin’ny efatra arivo, izany hoe 4500, tonga niatrika ny hazakazaka amin’ny alaviran-dalana, “Urban Trail”, omaly. Araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana, niainga avy teny Ankorondrano ireo olona maro tonga nisoratra anarana tamin’ity hetsika ity, ary tsy nifarana izany raha tsy teny Mahamasina. Tsiahivina fa samy nandray anjara avokoa na ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), izay tarihan’ny minisitra, Moustapha Abdulah Marson, sy ny ekipan’ny Rotary Club.
Nihazakazaka tamin’ity hetsika ara-panatanjahantena ity ihany koa, ny mpikambana ao amin’ny firaisan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena (UJSM), izay notarihan’ny filoha, Rabenaivo Alain. Ankoatra azy ireo, tazana teny an-toerana ihany koa ireo manamboninahitra sy filohan’ny federasionina amin’ny taranja maro misy eto Madagasikara.
Mari-pankasitrahana
Tsy nitaza-potsiny ary azo lazaina hoe sambany, notolorana mari-pankasitrahana avokoa ireo mpanao gazety ara-panatanjahantena izay nahavita andraikitra mihoatra ny 15 taona. Tsy izy ireo ihany nefa, nomena izany ihany koa, ireo atleta malagasy, niatrika ny lalao Olympika, sy ireo izay nitondra avo ny anaran’i Madagasikara, fahiny. Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ireo mpanao gazety nahazo ity mari-pankasitrahana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ity, ireo mpanolotra vaovao avy amin’ny vondrona Ultima Media, i Torcelin, i Soafara, i Andry Rabeson, i Mamiherison, i Tiana.




