Efa fantatra ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny antsapaka, ny iray vondrona amin’i Madagasikara, mandritra ny fifaninanana CJSOI (Commission de la jeunesse et des sports de l’océan Indien) hatao any Seychelles, ny 1 hatramin’ny 10 aogositra izao. Ny taranja iraisana no nanatanteraka izay antsapaka izay, omaly maraina. Ho an’ny taranja volley-ball, ao amin’ny vondrona A no misy an’i Madagasikara, miaraka amin’i Mayotte sy Maorisy. Ao amin’ ny vondrona B kosa no misy an’i La Réunion sy Seychelles. Azo lazaina ho mety amin’ ny ekipa malagasy tsara ireo ekipa roa iray vondrona aminy ireo, izay efa resiny avokoa tamin’ny lalaon’ny Nosy. Na izany, sokajy tanora, manodidina ny 14 hatramin ny 17 taona, no hifaninana, izay mpilalao hafa mihitsy ny ankamaroany ka ilana fahavononana hatrany. Tsiahivina fa ny sokajy vehivavy no solontenan’i Madagasikara eo amin’ny taranja volley- ball, amin’ity CJSOI hatao any Seychelles ity.
Eo amin’ity taranja ity hatrany, handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy U16, izay hatao any Tonizia, ny 24 hatramin’ny 31 aogositra izao, i Madagasikara. Sambany no hifaninana ny ekipa vehivavy, amin’ ity sokajy U16 ity. Hahazoana ny tapakila amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany U17 ity fifaninanana ity. Miantso ny malala-tanana ny Federasionina malagasin’ny volley-ball hanohana azy ireo amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity.
Mi.Raz




