Fahamaizana : Trano sivy hotohoton’ny afo

Kilan’ny afo ny trano lehibe iray niampy trano hafa miisa valo tao Toamasina Renivohitra, omaly hariva tamin’ny 5 ora. Niainga tao amin’ny trano iray amin’ireo fivarotana zava-pisotro mahamamo manamorina ny ranomasina ny firehetana. Niitatra ny afo avy eo. Nifanampy tamin’ny fifehezana ny loza ny mpiara-monina. Nigadona teny an-toerana rahateo ny sampana mpamonjy voina. Araka ny loharanom-baovao, fifampikasohan’ny herinaratra no nitarika ny firehetana. Tsy nisy aina nafoy, saingy simba avokoa ny ankamaroan’ny entana tao amin’ireo trano lasibatra. Voafehin’ny ekipan’ny mpamonjy voina ny afo. Niverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana tao an-toerana. Ilaina hatrany ny fanaraha-maso ny afo ao an-tokantrano sy ny herinaratra hisorohana ny loza tampoka tahaka izao.

Sajo

Partager sur: