ONG Ketsa: Nandray an-tanana ankizy sahirana 300 isa, efa tafita ny 100 tamin’izany

Manampy ny ankizy sy fianakaviana sahirana ara-pivelomana sy misedra olana eo amin’ny ankohonana ny ivontoerana sy ny fikambanana tsy miankina. Anisan’ izany ny ONG Ke­tsa eny amin’ny kaominina ambanivohitra Alakamisy Fenoarivo.

Tao anatin’ny 28 taona, maherin’ny 300 isa ny ankizy sy tanora sahirana noraisin’izy ireo an-tanana sy efa nampiany, raha ny antontanisa voaray. Ankehi­triny, ankizy sy tanora 200 mahery avy amin’ny fianakaviana 173 no raisin’ny ivontoerana an-tanana. Akizivavy ny 120 amin’izy ireo. Mahatratra 100 eo ho eo no efa tafita sy nahazo asa tamin’ireo nobeazina. Misy ny miasa eto an-toerana, misy ny any ivelan’ny Nosy. Betsaka indrindra amin’izany ny miasa any amin’ny faritra, fa eo koa ireo miasa sy mijanona eto Antananarivo. Tena betsaka amin’ireo ankizy tafita ny nivoaka teo anivon’ny sekoly ambony Politeknika Vontovo­rona (ESPA) sy ireo oniversite Antananarivo. Misy koa ireo nanaraka fiofanana tao anatin’ny fotoana fohy ezaka. Toy ny nanaraka lalam-piofanana momba ny zaitra, fandrahoana sakafo sy ny maro hafa. Efa tafiditra any amin’ny orinasa matanjaka eto amin’ny firenena ny ankamaroan’izy ire­ny, raha ny fanazavana voaray. Hatra­min’izao, 50 isa ny tanora efa nilamina arakasa tanteraka. Efa misy ny nahatsangana ny trano onenany sy ny orinasa kely ho azy manokana.
Amin’ny ankapobeny, ny injeniera mahakasika ny taotrano sy jeolojia ary ny fitantanana sy fanabeazana no tena betsaka tamin’ireo tafita. Misy koa ny mpitsabo mpanampy, mpiasam-panjakana sy ny maro hafa. Vehivavy ny tena betsaka tamin’ny tanora tafita, raha ny fanazavana voaray. “Mora ny mitarika ireo ankizy ireo rehefa manaiky tarihina sy manaraka ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny ivontoerana”, hoy ny talen’ny ONG Ketsa, Ramarolahy Hasina. Misy ny tsy maintsy tapahana ny fifandraisana amin’ny ankizy iray rehefa tsy manaiky sy tsy mazoto hanaraka ny fitsipi-pifehezana sy ny fiaraha-miasa intsony ny ray aman-dreny, raha ny fanazavana voaray. Roa monja ny ankizy niala tamin’ny taon-dasa.

Mamolavola ankizy ho olom-banona

Mpiasa sosialy sy mpampianatra eo anivon’ny sampandraharaha sosialy ny mpanorina ity ONG ity. Sahirana ny mponina nisy teny amin’ny manodidina an’i Vontovorona tamin’izany ka antony nahatonga ny fananganana ny ivontoerana. Zavatra telo no tena iompanan’izy ireo: ny tontolon’ny fanabeazana, ny asa sosialy ary ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampisakafoana ny vondron’olona tiliana. Tanjona ny handrafetana ny ankizy ho olom-banona sy hanananan’izy ireo ny maha izy azy eo amin’ny fiainany. Misitraka sakafo maraina sy atoandro ny kilonga madinika eo anivon’ny ivontoerana. Raha sakafo atoandro ihany ny an’ireo tanora. Omena vola ataon’izy ireo sakafo kosa ireo efa mianatra any an-tanàn-dehibe.
Maro ny masontsivana hahafahana misafidy ankizy iray hiditra ao amin’ity ivontoerana iray ity. Voalohany, tsy maintsy mpianatra eo anivon’ny EPP Antanety Vontovoro­na. Avy amin’ny fianakaviana marefo ara-pivelomana na miaina anaty fahasahiranana lalina izy ireo. Misy ny fanadihadiana tsy maintsy ataon’ny tomponandraikitra mialoha ny andraisana azy ireo. Toy ny fametahana petadrindrina eny amin’ny EPP izay vondrona tiliana. Ny fanaovana fanadihadiana eny anivon’ny fikambanana samihafa. Fidinana ifotony eny anivon’ny fianakavian’ny zaza mba hanaovana fanadihadiana ny fiainan’ny fianakaviana, ny toerana honenany sy ny maro hafa.

 

Niverina nisokatra ny dispensaire

Telo taona aty aoriana, naverina nosokafana ao Vontovorona, fokontany Antanety II, ny toeram-pitsaboana tantanin’ny ONG Ketsa. Zava-dehibe ho an’ireo ankizy sy fianankaviana tohanana ao amin’ny fikambanana ary koa ho an’ny mponina manodidina ity fotodrafitrasa ara-pahasalamana ity. “Mandray sy mitsabo aretina maro samihafa ity toeram-pitsaboana ity”, hoy ny dokotera Razafimbahoaka Hariniaina­farasoa Hanitra, docteur généraliste. Nisy ny fanatsarana natao tamin’ny lafiny fitsaboana, toy ny fanomezana tolotra amin’ny sehatry ny fitsaboana nify sy ny fandraisana an-tanana ireo marary. Maimaimpoana tanteraka ny fitsaboana ho an’ireo ankizy tohanan’izy ireo. “Mandoa sarany kosa ireo olona avy any ivelany. Na izany aza, natao mirary sy takatry ny besinimaro avokoa ny saram-pitsaboana”, hoy hatrany ny dokotera. Hatramin’ny taona 2013, 17 hatramin’ny 20 isan’andro ny olona tonga mitsabo tena ao. Tamin’ny taona 2022, voatery nakatona vetivety izany noho ny fiantraikan’ny krizy ara-ekonomika nateraky ny valanaretina Covid-19.

Beazina ihany koa ny ray aman-dreny
Ankoatra ny ankizy, hiseharana ihany koa ny ray aman-dreny. “Mila omena fanabeazana sahaza azy koa ireto farany hahaizany mandray ny andraikiny amin’ny maha mpanabe voalohany azy ireo”, hoy ihany ny talen’ny ONG. Nambarany fa haingana kokoa ny fiovana misy eo amin’ny ankizy raha toa ka iaraha-miasa koa ny ray aman-dreny. Misy, araka izany, ny fanabeazana, tolo-kevitra, fampiofanana, fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo ray aman-dreny. Ampahafantarina amin’ny izy ireo ny andraikitra miandry eo amin’ny fiainan’ny zanany. Ampianarina hahay hahaleo tena sy hahay hitantanana ihany koa. Ao anatin’izany, ny fiofanana mahakasika ny fitantanana sy ireo asa miteraka fidiram-bola na ny Activité génératrice de revenu.

Nanatontosa : Mino / Fitia

Partager sur: