Federasionina misy ary mijoro ara-dalàna eto Madagasikara, ny Pentathlon moderne malagasy (FMPM). Araka ny fanadihadiana natao, ny herinandro lasa teo, taranja olympika iray manambatra
« escrime », sy ny tifitra amin’ ny basy « laser », ny « parkour d’obstacles », ary ny hazakazaka an-tongotra izy ity. Nanomboka ny taona 2017, atleta manodidina ny 200 isa, mizara amin’ny ligy Analamanga, Itasy ary Vakinankaratra, no efa manao sy mifanintsana amin’ity taranja ity. Anisan’ireo nanana tranoheva sy nampiranty tamin’ny « Salon national des sports », tetsy Mahamasina, izy ireo. “Tahaka ireo rehetra ihany, tonga eto amin’ izao hetsika izao izahay mba hanao fampahafantarana ny fisian’ny taranja eto Madagasikara. Ny hampiroboroboana ity taranja ity eto an-toerana ihany koa no tanjona », hoy i Nathalie Randriamalala, filohan’ny federasionina FMPM. Mba hanamafisana sy hanomezana endrika matotra an’ity taranja ity sy hisian’ny hetsika ho an’ireo atleta, manomana fifaninana isam-paritra sy nasionaly ny federasionina, ny volana septambra ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana. Dingana iray lehibe handrafetana ny ekipam-pirenena, hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny tompondakan’i Afrika, amin’ny volana desambra, atao any Afrika Atsimo, izy ity. Manana tanjona mazava ny rafitra federaly izay tarihan-dRandriamalala Nathalie, dia ny hanandratra avo ny lokon’i Madagasikara amin’ny sehatra afrikanina.
Fitia Randria




