SOMBIM-BAOVAO

Nifarana afakomaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny hetsika lehibe « Salon national des sports », izay notontosaina nanomboka ny zoma 28 jona. Samy afapo tamin’ity hetsika ity avokoa ireo mpiantsehatra rehetra tamin’izany, indrindra ireo federasionina mijoro ara-dalàna eto Madagasikara.

Afaka iray volana, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika izay tsy ahitana mpilalao milaravinahitra na « Chan 2024 », i Madagasikara. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nahenoina resaka ny mahakasika ny fanomanana sy ny mety ho fampivondronana ny mpilalao izay hiatrika izany. Tsiahivina fa fanamby iray ho an’ny Barea A’ izy ity, nandrombaka ny medaly alimo izy ireo, nandritra ny Chan farany teo.

Hatao any Abu Dhabi, ny 21 hatramin’ny 23 novambra izao, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja kick boxing. Tsy ho diso anjara i Mada­gasikara fa hanana solontena amin’izany ary efa misy ireo manoman-tena fatratra amin’izao fotoana izao.

Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano ny fifaninanana “Tournoi inter Club par équipe”, taranja échecs. Fifaninanana hatao ny 5 jolay izao ary misokatra ho an’ny klioba rehetra eo ambany fiahian’ny Federasionina malagasin’ny taranja échecs.

Partager sur: