Tsipy kanetibe – «Mondial La Marseillaise»: Ekipa roa hiaro ny voninahitr’i Madagasikara

Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe, any France, amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny «Masters» sy ny «Tournoi estival», hiatrika ny «Mondial La Marseillaise», indray izy ireo ka ekipa roa no hifaninana amin’izany.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharan-dalao ataon’ny ekipam-pirenena mala­gasy, taranja tsipy kanetibe, amin’ity taona 2025 ity, ny an­diany faha-64 amin’ny «Mon­dial La Marseillaise». Fihao­nana hotanterahina ao amin’ ny Parc Borely Marseille, France, ny 6 ka hatramin’ny 9 jolay ho avy izao. Miavaka ity andiany ity satria mahatratra 4 000 ireo ekipa hiady izay ho lohany. Ahitana mpilalao hatrany amin’ny 12 000 maneran-tany izany. Hifaninanana ao avokoa ireo kalazalahy amin’ity taranja ity.
Hanana ekipa roa hiatrika izany i Madagasikara. I Zigle, Tiana kely ary i Balôty ny iray ary i Tiana (Tonnere) sy i Lova ary i Yves Cedrick kosa ny faharoa. Hangotraka ny miandry ny ekipa malagasy amin’ ity. Satria, tsy misy lalaom-bondrona ny “Mondial La Marseillaise” fa toy ny fiadiana ny amboara. Mihintsana avy hatrany izay resy. Efa mpandray anjara matetika amin’ity fifaninanana goavana any France ity ny Malagasy saingy tsy mbola nandrombaka izany, hatreto. Na izany aza, anisan’ ireo ekipa andrandrain’ny re­hetra mpanaraka ity fifaninanana ity, ny ekipa malagasy ary heverin-dry zareo fa firenena tsy azo tsinontsinoavina.
Raha tsiahivina, nahazo izany, tamin’ny taona 2024, ny ekipan’i France notarihin’i Jouffre. Nihintsana teo amin’ ny manasa-dalana kosa i Christian Andriantseheno (Racl), ilay Malagasy milaravinahitra any France.
Fanamby goavana, araka izany, ny an’i Madagasikara amin’ity andiany faha-64 ity, ny handrombahana voalohany ny “Mondial La Marseillaise”. Mandra-piandry izany, manohy ny fifaninanana ao anatin’ny “Tournoi estival” ireo ekipa malagasy. Ny 15 jolay kosa ny dingana faharoa amin’ny “Masters”, hatao any Sous­tons.

Tompondaka

Partager sur: