Andrianambinintsoa Florent Pagny: “Ny fiezahanao ihany no hanananao fiainana tsara…”

Anisan’ireo Mala­ga­sy tanora efa fanta-daza amin’ny sehatry ny fanentanana sy ny fandrindrana lanonana eto Mada­gasikara Andria­nam­­­binin­tsoa Florent Pagny na i Pagny. Nitondra ha­fa­tra ho an’ireo ta­nora tahaka azy izy.

Tanora iray efa manana ny toerany amin’ny re­saka fanentanana sy fandrindrana lanonana sy hetsika eto Madagasikara, Andria­nam­­binintsoa Florent Pagny na i MC Florent Pagny. Nisy ny fanadihadiana natao taminy ny alatsinainy lasa teo, teny Mahama­sina. Nisonga­dina nandritra ny resaka nifanaovana taminy ny hafatra nampitany ho an’ireo tanora. “Ny fiezahana ihany no hananao fiainana tsara. Saingy, mandalo sendra maro samihafa ianao vao tafita, ary ilana saina matanjaka sy hery ny mi­atrika ireo sakana ireo. Izany hoe, ny saina no mila atao “bokona”, hoy izy.

Lalana nolalovany

Nambaran’i Pagny fa tany am-piandohana tsy naniry ho lasa MC izany izy. Notsiahi­viny fa fony mbola zaza aza izy, tsy io asa io no navaliny rehefa nisy nanontany izy hoe : “Inona ny asa ataonao rehefa any aoriana any?”.
“Tsaroako taloha, rehefa 25 jona, misy “Podium” foana tany aminay. Nampirisihin’ny olona foana aho mba hiakatra an-tsehatra, somary sarokenatra ihany aho, saingy nazoto foana. Tsy nikitika micro akory aza no nataoko fa nandihy, ary nitohy hatrany am-pianarana izany. Nandihy foana aho hatreny Ankatso, na ny tenako aza gaga ihany hoe : taiza nahalalan’ireo olona teny fa mahay mandihy aho”, hoy i Florent Pagny, Mala­gasy mpanentana. No­ma­rihiny hatrany fa efa tompondakan’ny dihy tamin’ny fifaninanana isaky ny lycée ny fikambanan’izy ireo, tamin’izany andro izany.
Ny sampam-pianarana Fi­tantanana no nianaran’i Florent Pagny, teny Ankatso, saingy niato izany, noho ny krizy nandalo teto Madagasi­kara, ka tsy afaka nanampy azy intsony ny ray aman-dreniny. Nitady asa ny tenany, taorian’io, ka sendra nahita fa­hitalavitra iray, mitady mpanentana. “Tsy nisalasala aho nandefa ny taratasy momba ahy (CV) tany, ary noraisin’izy ireo ny tenako. Ilay CV misy an’ilay hoe: mpilalao horonantsary mihetsika fahiny ngamba, nandraisan’izy ireo ahy, raha ny fiheverako azy”, hoy hatrany ny lehilahy.

“Nivoatra tsikelikely”

“Rehefa niasa tao amin’ity fahitalavitra ity aho, nisy na­mana naka hanao mpanentana lanonana ara-panambadiana, ary teo vao tsapako hoe, manana talenta miafina tahaka izany aho kay”, nambaran’ ny MC Florent Pagny. Nana­zava moa izy fa nivoatra miandalana teny amin’izay ny tenany ary rehefa feno folo taona niasana tao amin’ity fahitalavitra ity, izy, dia nanapa-kevitra ny hikopak’elatra ary hanangana ny asa ho azy manokana.
Fehiny, niainga tamin’ny fitiavana sy fiezana tao anatin’ ilay asa fanentanana, nahatonga an’i Florent Pagny, ho tahaka izao, araka ny fanazavany. Nohamafisiny hatrany fa maro ireo olona mankasitraka ny asa ataony, ary misaotra sy mankasitraka ireny olona ireny koa ny tenany. Notsindriny kosa fa tsy mampiofana olona ho lasa mpanentana ny tenany, saingy mampirisika ireo izay manana izany talenta izany mba hitrandraka sy hampiseho ny maha izy azy.
“Indramiko ny tenin’ilay mpanakanto iray izay hoe : mahatafita ny talenta eto Ma­dagasikara, tena nanaitra ahy io teny io. Ankehitriny, azoko hamarinina io filazana io, satria rehefa voafehinao tsara ny talentanao, ary hainao ny mampiasa azy sy ny mampivoatra azy, mety hivadika vola sy mahatafita anao izany”, hafatr’i Pagny.

Fantaro fa :
Ankoatra ny maha MC azy, manana ny fialamboliny ihany koa i Florent Pagny. Raha ny nolazainy, ny mandeha mivoaka maka aina sy mihaino hira milantolanto any amin’ireny toerana mangina ireny no tena tiany. Rehefa any izy, misotro sy mihinana tsakitsaky miaraka amin’ireo olona akaiky azy.
Fanatanjahantena ataony moa ny taranja basikety, baolina kitra ary ny lomano.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: