Araka ny fikarohana natao, omaly, izay navoakan’ny lahatsoratra an-gazety iray, Sport News Africa, fantatra fa mandalo fotoan-tsarotra ny Federasionin’ny baolina kitra kaomorianina (FFC). Raha ny fanazavana azo tamin’ity gazety iray ity, tsy dia hita ao an-toerana ny filohan’ny Federasiona FFC, Saïd Ali Saïd Athouman, izay lany fanindroany hitantana ity rafitra federaly ity, ny volana janoary lasa teo. Manatanteraka andraikitra any ivelany, amin’ny Caf sy Cosafa, ny mpitantana raha ny fantatra.
Tsy manana kianja iraisam-pirenena moa i Comores, ary mandeha ihany koa ny resaka amin’izao fotoana izao, fa manana olana amin’ny fandoavana ny karama sy ny tambin-karaman’ny mpilalao ny federasionina ao an-toerana, raha ny tatitra nataon’ity gazety iray ity. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity, ary azo lazaina taorian’io fa tsy ny Malagasy irery no misedra olana amin’ity taranja ity, saingy raha oharina amin’ny vokatra, mbola misongadina lavitra kokoa i Comores, izay sady manao “Can 2025”, no sady nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny “Cosafa” farany teo.
Fitia Randria




