Manana vaovao lehibe ny Federasiona malagasin’ny taranja Badminton (FMB). Araka ny fanazavana nataon’ny filohan’ny FMB, Ravalison Jean Aimé na i Môta, omaly. Nahazo fitaovana avy any amin’ny rafitra iraisam-pirenena mifehy ity taranja ity ny Malagasy. Ireo fanampiana ireo, izay hanavaozana ny taranja ka afaka lalaovina any ivelan’ny efitrano amin’izay ny Badminton.
“Zava-dehibe ho anay ny fampisehoana ny fitaovana vaovao. Azo hatao ivelan’ny Gymnase amin’izay, araka izany, ny lalao eto amintsika. Tsiahivina fa somary sarotra ihany ny mahazo efitrano hilalaovan’ny taranja eto Madagasikara”, hoy ity filohan’ny FMB ity. Nomarihin’ny lehiben’ny FBM fa nataon’ny Federasionina iraisam-pirenena hanampiana ireo firenena sahirana amin’ny fitadiavana efitrano filalaovana, ny fitaovana. Nanamafy hatrany moa ny tomponandraikitra voalohan’ny Badminton malagasy fa mety atao ivelan’ny Gymnase ny fihaonan’ny Badminton, mandritra ny lalaon’ny Nosy manaraka eo.
Efa nampihatra ity sokajin-dalao ity, tany Ambohitrimanjaka sy Itaosy, ny Malagasy mpilalao, tamin’ny taona lasa, saingy tsy mbola mivoaka ny efitrano ny fifanintsanana nasionaly raha tsy tratra ny tanjona.
Fitia Randria




