Tetikasa fampandrosoana ny baolina kitra maro no niasan’ny filohan’ny federasiona malagasy (FMF) mafy tamin’iny tapa-taona voalohany iny. Anisan’izany ny fanatsarana ny ivontoerana teknika eny Carion sy ny fahazoana fiarabe ho an’ny Barea.
Fantatra nandritra ny valandresaka nataon’ Andriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, teny Isoraka, fa hotokanana ny faran’ny volana septambra ho avy izao, ny ivontoerana teknika eny Carion. Fotodrafitrasa vatsian’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa) vola. Nohavaozina sy nasiam-panatsarana avokoa ny efitrano rehetra, ny atiny sy ny ivelany. Toy izany koa ny kianja filalaovam-baolina izay hametrahana bozaka hiantohan’ny Fifa sady hahazoana fankatoavana, ka afaka andraisana lalao iraisam-pirenena. Efa voatsangana ny “tribune”, mahazaka mpijery miisa 600. Ho avy eto Madagasikara i Gianni Infantino, filohan’ny Fifa hitokana izany ka ho atao ivontoerana fitaratra, izy io. Hivondrona sy hipetraka ao amin’izany ireo ankizy ao amin’ny tetikasa Talent Development Scheme (TDS), avy amin’ny faritra telo: Vakinankaratra, Boeny ary Atsimo Andrefana. Izy ireo izay hanomana ny Fifanintsanana amin’ny Can 2026.
Ankoatra izay, nitondra zavatra ho fampivoarana ny baolina kitra malagasy ny filohan’ny FMF, taorian’ny niatrehany ny kongresy faha-75 ny Fifa, natao tany Miami, ny volana jona lasa teo. Anisan’izany ny fahazoana ny kianja kely “mini pitch” mirefy 40 m x 20 m. Tsy ny firenena rehetra no mahazo izany fa izay hita fa mivoatra sy manana tetikasam-pampandrosoana. Miisa roa io “mini pitch” io ka hapetraka amin’izay CEG manana fotodrafitrasa malalaka sy be olona. Ezahina ho vitaina mialoha izy io ka iarahana mitokana amin’ny ivontoerana teknika eny Carion. Ho avy amin’ny faran’ity volana jolay ity koa ny fiara Hyundai avy any Japon, ho an’ny Barea de Madagascar, sokajin-taona rehetra.
Tompondaka




