Fitiavan-karena tafahoatra : Lehilahy namono ny rahalahiny naiditra am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja, miandry ny fitsarana azy, ny lehilahy iray namono ny rahalahiny, omaly. Omby telo avy amin’ny rainy no niantombohan’ny adin’izy mirahalahy.

Niakatra fampanoavana, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray namono ny zokiny lahy, tao Sahanivotry, kaominina Antsirabe. Nitrangana vonoan’olona tao amin’io ta­nàna io, ny alin’ny sabotsy 24 jona lasa teo. Nalain’ny tovolahy iray tany amin’ny rainy ny omby miisa telo. Nentiny ka nafindrany nipetraka any ami­ny ireo biby fiompy ireo. Tsy naharaka na inona na inona momba io fifanarahana nataon’ny zandriny sy ny rainy io ilay zokiny. Nifampiresaka ta­min’ny zandriny izy taorian’ny nahalalany fa lasan’ity farany ny omby miisa telo. Niady he­vitra amin’ny tokony hangalany ny anjara ombiny izy. Niva­dika ho fifamaliana teo amin’izy mirahalahy anefa io tsy fi­fankahazoana io. Nifam­pikasi-tanana izy mirahalahy.

Nanohitra sady namono

Namaly an-jokiny sady nanohitra ilay zandriny saingy tsy naharesy tosika. Naka antsy, araka izany, io zandry olona io ka nidaroka an’ilay rahalahiny. Naratra mafy teo amin’ny lohany ilay zokiny. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana izy. Nanao ny fomba rehetra nihazonana ny ainy ny fianakaviany sy ny mpi­tsabo saingy namoy ny ainy ity farany. Niroso ta­min’ ny famotorana ny mpitandro filaminana rehefa naharay ny angom-baovao momba ny zava-nisy. Nosamborina ny nahavanon-doza. Nentina anatrehan’ny fampanoavana ka izao nohazonina vonjimaika izao.

Tsiferana R.

Partager sur: