SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka omaly ny fiofanana CAMS (Cours avancée en management du sport), andiany faha-7. Fiofanana omen’ny Kaomity olympika malagasy, izay haharitra 6 volana. Miisa 18 ireo mpiofana amin’izany.

Mbola mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona misy azy, tany Tsiroanomandidy, ny Disciples Espoir FC, araka ny fikarohana natao, omaly. Tamin’ireo fihaonana efatra nataon’ity klioba ity, nahita fandresena efatra be izao izy ireo. Tsiahivina fa ny Disciples no tompondakan’i Madagasikara, sokajy zandriny U20, ny taona lasa teo.

Hotontosaina ny alahady ho avy izao ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ireo klioba. Anisan’ireo fihaonana tena andrasan’ny maro amin’izany, ny fifanandrinan’ny Bayern Munchen, Allemagne, sy ny Paris Saint Germain, France. Tsiahivina fa izay tafavoaka eo no mifandona amin’iray amin’ny Real Madrid, Espagne sy ny Dortmund, Allemagne.

Partager sur: