Manoloana ny resaka mandeha amin’izao fotoana, nanao fampihavanana sy nampanjaka ny resaka « Fair-play », teo amin’ny Mama FC sy ny Elgeco Plus, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Ny fihavanana maha Malagasy ary ny « Fair Play » ny an’ny baolina kitra! Ireo teny ireo, azo hilazana ny zava-nisy teny Ambohidahy, afakomaly. Fotoana nifanatonana sy nifamelana teo amin’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, sy ny tomponandraikitry ny klioba Mama FC ary ny Elgeco Plus, miampy ireo solontenan’ny mpilalao avy amin’ny klioba roa tonta.
Amin’ny maha raiamandreny lehibe eo amin’ny tonolon’ny kitra malagasy an-dRandriamanampisoa Alfred, nasehony fa mijanona ho mpanelanelana izy ary manana toe-tsaina ambony sy tia mampandroso ny taranja eto Madagasikara. Samy naneho ny fialantsiny moa ny telo tonta, raha ny zava-nisy hita teny an-toerana.
Notsindrin’izy ireo fa tsy misy ny disadisa eo amin’ny mpitantana ny FMF sy ireo ekipa roa ireo, saingy ireo olona tsy tia fandrosoana sy manakana ny fampivoarana ny baolina kitra eto an-toerana no miezaka mamboly korontana etsy sy eroa.
Fijery lavitra !
Manana fijery lavitra ary miezaka manao izay fara-heriny hanatrarana ny tanjona dia ny hanaovan’ny Barea de Madagascar “Mondial” ny federasiona FMF, tarihan-dRandriamanampisoa Alfred. Tamin’ny fitantanany, maro ireo hetsika fampivoarana sy fitsinjovana ny hoavin’ny baolina kitra nataony. Anisan’izany ny fikarakarana ny “Tournoi de l’océan Indien”, ho an’ireo sokajy zandriny, eo ihany koa ny fanatsarana ny ivontoeram-piofanana etsy Carion.
F.R




