Sombim-baovao

Nahemotra amin’ny 14 hatramin’ny 20 jolay izao, ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Jamborées Minibasket ». Hetsika karakarain’ny kaomisionin’ny Minibasket eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Natokana ho an’ny katitakely tia sy milalao basikety izy ity. Efa nifarana ny 2 jolay lasa teo ny fisoratana anarana, raha toa ka ny 13 jolay izao ny fivoriana ara-teknika.

 

Hotontosaina ny alarobia 9 jolay izao, ao amin’ny Petit palais Mahamasina, ny fiofanana hatolotr’i Sensei Ramilijaona Dani, taranja karate. Ny fikambanan’ny vehivavy mpanao karate, tepana mainty, no mikarakara ity hetsika ity. Eo ambany fiahian’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy. Ny ankizy hatramin’ny 14 taona no hahazo ny fiofanana amin’ny tapany voalohany. Ny 14 taona no miakatra kosa no hisitraka izany amin’ny tapany faharoa.

 

Voafidy hitsara ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja basikety U19, hatao any Lausanne Suisse, ny Malagasy mpitsara iraisam-pirenena, i Yann Vézo Davidson. Ny lalao eo amin’i Israel sy i Cameroun no hotsarainy amin’ity fifaninanana ity. Tsy vao izao i Yann Vézo no nitsara lalao iraisam-pirenena fa efa matetika no voaantso. Efa mpitsara manana ny maha izy azy maneran-tany rahateo ny tenany.

Partager sur: