Zazavavy telo taona monja ny iray tamin’ireo mpandeha miisa roa maty nandritra ny lozam-pifamoivoizana tao Maevatanana, omaly maraina.
Nivadibadika nivoaka ny arabe ny taksibrosy iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo Antanimalalaka, kaominina Antanimbary, distrikan’i Maevatanana, omaly maraina. Niainga avy any Ambositra io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’i Mahajanga. Nivoaka ny arabe ny fiara rehefa tsy voafehin’ny mpamily intsony ka nifatratra tany anaty hantsana. “Mety ho reraka na ihany koa, tratry ny torimaso fotsy ny mpamily na dia nisy mpanampy aza”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny lehiben’ny zandary misahana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena ao Maevatanana. Zazavavy telo taona namoy ny ainy nandritra io loza io. “Vehivavy iray 30 taona tsy tana ny ainy”, hoy hatrany ny fanazavana. Naratra ny mpamily ka notsaboina. “Arahi-maso izy ary atao famotorana aorian’ny fitsaboana azy”, hoy ny zandary misahana ny fanadihadiana. Mpandeha miisa folo nentina notsaboina eo anivon’ny CHRR Maevatanana ka zaza amam-behivavy ny ankamaroany.
Variana ny mpamily
Samy manana ny filazany ireo mpandeha tao anatin’ity taksibrosy tra-doza ity, araka ny tatitry ny zandary. “Variana nijery ny namany izay nanao Caravane ilay mpamily kinanjo efa nivoaka ny arabe ny kodiaran’ny fiara”, ny iray tamin’ireo mpandeha. Ankilany, misy milaza fa nipitika tampoka ny kodiarana ka niteraka ny loza, hoy ny fanazavan’ny hafa. Marihina, roa lahy ny mpamily niandraikitra ny fiara tamin’io fotoana io. Ilay nitondra ny fiara tamin’ny fotoan’ny loza kosa izay tsy maintsy hotazomina vonjimaika aorian’ny fitsaboana azy.
Tsiferana R.




