Ady heloka bevava ao Toamasina : Telo lahy voaheloka asa an-terivozona mandra-pahafaty

Migadra mandra-pahafaty ireo telo lahy voaheloka tamin’ny fanafihana niharo famonoana raim-pianakaviana ny volana septambra 2024. Tsy nitsitsy ny fampanoavana.

Hentitra no azo ilazana ny fotoam-pitsarana ny alakamisy teo nandritra ny fitsarana ilay raharaha fanafihan-jiolahy tao Tana­makoa, ny alin’ny  03 septambra 2024, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, araka ny antontan-taratasin’ady lah 77-Toa/ 25, hanenjehana an-dry Ma­ne­faso sy Soja Mamorisoa ary Tolivoatsy, andian-jiolahy vao tonga roa volana tao an-toerana. Teo am-pandosirana ho any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy vao tratran’ny zandary. Raha hiverenana, niandrasan’ny andin-jiolahy hiditra ny lakorony ny raim-pianakaviana iray. Koa raha vao hivoaka ny fiara hanokatra ny vavahady dia efa niandrasana tamin’ny basy sy antsy lavalela. Toy ireny olona niara-dalana tamin’ity raim-pianakaviana ity ireo ka niditra ny trano, raha vao tafiditra dia noambanana basy ireo vady aman-janany ka tsy nisy afa-nihetsika. Nandritra ny fotoam-pitsarana rahateo no nilazan’ny niharam-boina fa tsaroany ny tavan’ ireo jiolahy satria tsy nampiasa fanakonana tarehy ireo jiolahy. Voaroba tamin’ izay ny vola 7 tapitrisa Ar sy finday ary firavaka teny amin’ny renim-pianakaviana, miampy kapa lafo vidy amina orinasam-pamokatra an’izany. Nandritra an’io tranga io hatrany, noratrain’ ireo jiolahy ilay renim-pianakaviana sy ny rangahy vadiny, tsy nisy kosa ny aina nafoy, nigalabona rahateo izy telo lahy tao an-tokantrano nanao izany. Taorian’ izay, nitsoaka ireo olon-dratsy, raha niantso mpitandro filaminana kosa ny niharam-boina, mbola hita teny an-tongotr’i Soja Mamori­soa ny kapa nangalarina tao amin’ ilay tokantrano ka nanamora ny fisamborana.
Niezaka niaro tena sy nanda hatrany nandritra ny fotoam-pitsarana ireo jiolahy. Vokany, taorian’ny fifanazavana sy fandaharana teo amin’ny voampanga, nilatsaka ny didy famonjana ka voaheloka asa an-terivozona mandra-pahafaty izy telo lahy.

Sajo

Partager sur: