Vazaha iray sy ny vadiny teratany malagasy monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina mponina sy mpiasa maro eny an-toerana, raha ny angom-baovao voaray. Manao fanamparam-pahefana sy manao herisetra amin’ireo mpiasa ao aminy sy ny mponina manodidina azy izy. Raim-pianakaviana iray, mpiambina sy mpikarakara zaridaina, no voaendrikendrika ho nangalam-bola tao anaty fiaran’io vazaha io, ny 9 jona lasa teo. Nalain’ny vadin’ny tompon’ny orinasa anefa io vola io ary nividianana lasantsy. Voadaroka mafy ary niafara tamin’ny tsy fahatsiarovan-tenan’ilay niharan’ny herisetra izany. Naiditra hopitaly izy ary nambaran’ny mpitsabo fa nikasa hamono tena satria nahitana poizina tany anatiny. Nametraka fitoriana eny anivon’ny biraon’ny polisy ny lasibatra taorian’izay. Nivadika tany aminy indray anefa izany vao fantatr’ilay vazaha hoe nitory ity farany. Nampangaina ho nangala-bola izy io. Vokany, nampanantsoina teny anivon’ny kaomisaria foibe eny Avaradrano io mpiasa io ary voatazona nandritra ny 48 ora. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana io mpiasa io sy ny mponina manodidina mba hijery izao raharaha izao. Tsiahivina fa efa maro ny mpiasa tratran’ny antsojay tao amin’io vazaha io. Mpamily iray no voadaroky ny mpampiasa azy satria voalaza fa nangalatra vola ary nampandoavina 10 tapitrisa Ariary. Tsy misy sahy mitory ny mpiasa tratra tahaka izao satria lasa mivadika hatrany ny fitoriana rehefa tonga any amin’ny polisy, noho ny fahafantarany olona ambony maro. Izany rehetra izany ny antony tsy hahasahian’izy ireo mitory, raha ny angom-baovao voaray.
Mino




