Fampivondronana ny ankizy: Homanina dieny izao ny hoavin’ny taranja Karate

Nanomboka ny 3 jolay lasa teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ary hifarana ny alahady izao, ny fampivondronana ireo ankizy latsaky ny 14 taona, taranja karate. Tanjona amin’izany ny hanomanana sahady ny hoavin’ny taranja karate, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny Karate-do Malagasy, Rate­fina­nahary Emile. Ireto ankizy manomboka amin’ny U8 hatramin’ny U14 ireto, hoy izy, no handrafitra ny ekipam-pirenena Seniors afaka 2 taona ary handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena goavana. Notsiahiviny fa nanomboka tamin’ny taona 2024 no nisy ity fampivondronana ny Karatekas sokajy zandriny ity ary kendrena ho amin’ny fiandohan’ny fialan­tsasatra toy izao hatrany no hanaovana izany. 70 mianadahy izy ireo no miatrika ny fampivondronana ho an’ity andiany ity ary misy solontena avy any amin’ny faritra toy ny avy any Tolagnaro sy Fort Dauphin. Kata sy Kumite no hatao, ka ireo zoky ao amin’ny sokajy Seniors no manampy ireo teknisianina manome ny fanazarantena ho an’ireto ankizy ireto.
Fifaninanana goavana ihany koa no miandry ny sokajy zandriny amin’ity taona ity, toy ny “Youth League” sy ny fiadiana ny tompondaka ma­neran-tany, ka hotiliana amin’ ireto miatrika fampivondronana ireto izay hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany. Eo ihany koa ny “Open In­ter­na­tional de Tana” izay hatao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ka mpikatroka 350 hatreto no hifaninana. Firenena 4 kosa hatreto no efa nilaza fa hoavy toa an’i Frantsa, Mayotte, Comores ary La Réunion.

Mi.Raz

Partager sur: