Handball: Mampitandrina ny Federasionina

Namoaka filazana ho an’ireo ligim-paritra rehetra eo ambany fifehezany ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), ny 21 jona lasa teo, fa tokony hanaja ny lalàna manan-kery ny hetsika rehetra hataon’izy ireo. Ho an’ireo klioba tsy ankanavaka, tsy misy afaka mandray anjara na manao lalao amin’ny ekipa vahiny raha tsy mahazo alalana mialoha avy amin’ny federasionina malagasy sy ny an’ny filohan’ny faritra.
Handoavana onitra arakaraka ny lanjan’ilay fifaninanana ny fandikana sy ny tsy fanarahana izay voalaza. Mandefa ny antontan-taratasy any amin’ny ligim-paritra misy azy ireo fikambanana voakasika ary ny ligy indray no mampita izany any amin’ny federasionina izay rafitra voalohany, miahy ny hand ball eto Madagasikara. Araka izany, tokony hanaja ny naoty navoakan’ny federasionina ireo ligy rehetra ary mampahafantatra amin’ny tomponandraikitra hahazoana mandray ny fepetra ara-dalàna.
Ankoatra izay, hotanterahina any amin’ny ligin’i Bongolava, ny 1 – 10 aogositra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Minime, Cadet, Junior, lahy sy vavy.

Tompondaka

Partager sur: