Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-dRenivohitra, ny alin’ny alakamisy 03 jolay teo. Roa lahy karohina.
Nirefodrefotra ny basy nanomboka teny Ampasika hatrany Ampitatafika, ny alin’ny alakamisy 3 jolay teo. Jiolahy iray voasambotry ny mpitandro filaminana taorian’ny angom-baovao marim-pototra, io afakomaly io, tamin’ny 10 ora maraina. Nikasa hanao fanafihana teny Ambohijanamasoandro Itaosy io olon-dratsy io sy ny namany. Nibaboka avy hatrany ilay voasambotra. Nitoroka ny toerana hanaovan’izy ireo ny fanafihana io jiolahy tra-tehaka io. Nanaiky hitondra ny mpitandro filaminana any amin’ny toerana voalaza izy. Nifanena tamin’ny roa lahy naman’io voasambotra io ny ekipan’ny zandary. Nanapoaka basy avy hatrany ireo roa lahy sady nandositra. Raikitra ny fifampitifirana ka maty voatifitra ireo jiolahy roa nandositra.
Dimy lahy
Miisa dimy lahy ireo mpanao fanafihana nikasa hanao ny asa ratsiny tamin’io alin’ny alakamisy io. Nitondra fiara tsy mataho-dalana miloko mainty izy ireo ka napetraka teo akaikin’ny lasantsy maty io fiara io. Hamonjy ireo namany, araka izany, ireo roa lahy izao nifanehatra tamin’ny zandary izao ka lavon’ny tifitra. Hifampitadiavana ny roa lahy hafa namany izay tafaporitsaka. Nentina atao famotorana alohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny fampanoavana ilay jiolahy iray azo sambo-belona. Nogiazana ny fitaovam-piadiana toy ny basy poleta tratra teny amin’ny namany. Marihina, mpanao fanafihana eny amin’ny manodidina an’Itaosy, Fenoarivo, Andoharanofotsy sy eto an-dRenivohitra ity fikambanan-jiolahy ravan’ny mpitandro filaminana ity.
Tsiferana R.




