Ambatofahavalo : Mpisoloky Cash Point voasambotra

Nampiasa « puce » miisa roa. Noraisim-potsiny ny lehilahy mpisoloky tao Ambatofahavalo, distrikan’Atsimondrano, ny 4 jolay teo. Nilaza haka vola amin’ny alalan’ny finday tao amin’ny Cash Point io lehilahy io. Nampiasa teti-dratsy anefa izy. Noraiketiny anatin’ny findainy anatin’ny “puce” hafa ny hafatra miafina toy ny avy amin’ilay tambajotra hangalany ny vola. Voasoratra anatin’io hafatra io ny vola alainy miaraka amin’ny sarany. Mody ampiresahany ilay mpitazona Cash point. Mitetina 95 000 Ar ny vola nokasainy halaina. Nitoroka teny anivon’ny manam-pahefana ny lasibatra. Niroso tamin’ny fikarohana ny zandarimaria. Voasambotra io mpisoloky io.

Tsiferana R.

Partager sur: